Hanamorana ny fanondranana sy ny fanafarana ireo zava-maniry sy ireo vokatra azo avy amin’ny zava-maniry, dia miroso amin’ny fametrahana ny tetikasa e-Phyto i Madagasikara, izay tetikasa miompana amin’ny fanovana ho nomerika ireo taratasy manamarina ny fahasalaman’ ny zava-maniry na ireo vokatra azo avy amin’ny zava-maniry ilaina amin’ny varotra iraisam-pirenena.Tetikasa izay novolavolain’ny Comité National de Facilitation […]
Actualités
Ho voarindra tsara kokoa ny famokarana noho ny fisian’ny hotline 321
Iray amin’ireo sehatra ara-toe-karena tena voakasiky ny fiovaovan’ny toetr’andro ny fambolena. Misy fikorontanana ny toetr’andro ka misy fiantraikany amin’ny famokarana izany. Vokatr’izany dia mandalo fahasahiranana ireo tantsaha amin’ny fitantanana ny fandaharam-potoana izay miha-mikorontana hatrany. Miha tsy mifanaraka amin’ny toetr’andro ny voly atao. Ary ny tsy fahampian’ny fahalalana amin’ny fahafaha-mampifanaraka ny rafitry ny famokarana dia miteraka […]
Avaozina sy hatsaraina ny lalàna mifehy ny tontolon’ny veterinera eto Madagasikara
Lalàna telo no ho dinihina ao anatin’ny atrikasa izay karakarain’ny MAEP amin’ny alalan’ny DSV, miaraka amin’ny « Bureau Inter-Ressources Animales » atao ao amin’ny Colbert Antaninarenina ny 18-19 febroary 2021, dia ny lalàna mifehy ny fikarakarana ny tontolon’ny biby na ny “bien-être animal”, ny lalàna mahakasika ny “traçabilité des petits ruminants” ary ny lalàna mamaritra ny fanaraha-maso […]
Ny tetikasa « titre vert » : fanomezana tany ireo tanora mpamokatra
Ny tetikasa « titre vert » dia natao hametrahana ireo mpamokatra any amin’ireo faritra izay velomin’ny Governemanta, amin’ny lafiny fanohanana ara-toe-karena sy ara-tsosialy. Miovaova arakaraka ny tsy fahampiana sedrain’ny mpamokatra ny vahaolana naroso fa ny foto-kevitra iraisana dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny famokarana maharitra izay hahafahana manohana ny tahirim-bola amin’ny fametrahana ireo famokarana tantanam-pianakaviana ireo, izay […]