Tanterahina mandritry ny hateloana (31 may, 01 et 02 jona 2022) ao amin’ny CNEAGR Nanisana ny atrikasa fikaonan-doham-pirenena ho an’ny masomboly, izay nokarakarain’ny MINAE niaraka tamin’ireo mpiara miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika ary ny mpisehatra rehetra ao anatin’ny masomboly. Miroso amin’ny fanafainganana ny fizakan-tena ara-tsakafo i Madagasikara amin’ny alalan’ny fampivoarana sy fanovàna ny seha-pamokarana. Sehatra atao […]
Actualités
Atrikasa fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa ho fanatsaràna ny famokarana lavanila
Notanterahina ny 18 may 2022 tao Anosy ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny fandaharanasa FORMAPROD, ny tetikasa PEJAA, ny EFTA Analamalotra, izay eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny fiompiana, sy ny tetikasa USAID Hay Tao, fiaraha-miasa mifototra amin’ny fanatsaràna ny lasi-piofanana momba ny famokarana lavanila eto Madagasikara. Nohon’ny fangatahan’ny « Plateforme National de la vanille » ny […]
10 may 2022 Sahabe, Alaotra Mangoro. Fitokanana amin’ny fomba ofisialy ny lamina fitarihan-drano hanondrahana ny lemaka Atsimo Andrefan’ny lac Alaotra-PC23
Velaran-tanimbary manodidina ny 10 000ha ao amin’ny lemak’i PC23, faritra Atsimo Andrefan’ny lac Alaotra no ho voatondraka ara-dalana manomboka izao vokatry ny fahavitan’ny lamina fitarihan-drano lehibe ao Sahabe. Foto-drafitrasa izay mifanin-dran-dalana tanteraka amin’ny vinan’ny Governemanta malagasy dia ny hanajary velaran-tany 100 000ha ho fanatanterahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, indrindra ny fahavitan-tena ara-bary. « Tombanana ho tafiakatra 580 000 taonina isan-taona […]
Santa-bary sy fifampizarana ho fanapariahana ny vary safiotra eto Madagasikara
Anisan’ny paikady efa naroson’ny MINAE ho fanatrarana ny velirano faha-9 ny Filoham-pirenena dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny hambolena ny vary safiotra izay hoezahina haparitaka eto Madagasikara. Niaka-bokatra ny vala-tahaka hanehoana ny voly vary safiotra izay anaovana fikarohana eny Andranovaky Mahitsy ka antony nanatanterahana ny lanonana Santa-bary 2022 vary safiotra ny Zoma 06 May 2022. Lanonana […]