Actualités

Missions sur terrain

Hanampy isa ireo Ttoeram-pamokarana ara-biolojika i Bongatsara

Ezaka imasoan’ny Fitondram-panjakana ny fampiroboroboana ny famokarana ara-biolojika lovainjafy. Hisehatra betsaka amin’ny famokarana legioma sy voninkazo ary hazo fihinam-boa I Madagasikara. Ary I Bongatsara dia toerana natao ho fitaratra amin’izany. Ho mpamatsy “plantule” I Bongatsara Vala fakan-tahaka mirefy 4 ares no apetraka isak’ireo fokontany mandrafitra ny kaominina, izay ahafahana manome fampiofanana ireo tantsaha amina famokarana […]

Voir plus

PC 23: Afaka miatrika tsara ny taom-pamokarana 2020-2021 ireo tantsaha

Afaka miatrika am-pitoniana ny taom-pamokarana 2020-2021 ireo tantsaha mamboly ao amin’ny lemaka PC23 kaominina Ambodirano,  Distrika Amparafaravola, faritra Alaotra Mangoro, raha nisedra olana noho ny fahasimban’ny foto-drafitrasa famatsian-drano izy ireo hatramin’ny taona 2010. Nandray an-tànana ny fanavaozana ny tohadrano Sahabe ny fitondram-panjakana malagasy amin’ny alalàn’ny MINAE, fiaraha-miasa amin’ny governemanta japoney amin’ny alalàn’ny JICA. Efa azo […]

Voir plus

Aretin’omby ao vakinankaratra: mandray ny andraikiny ny MINAE

Manoloana ny trangan’aretina mahazo ny omby izay mampatahotra ny mpiompy ao amin’ny faritra Vakinankaratra dia nandray ny andraikiny mifandraika amin’izany ny MINAE tamin’ny alalan’ny DGE.Efa nisy ny fangalàna singa an’ireo omby nahitana ny trangan’aretina, efa natao ny “analyse” ka hita fa “hémoparasite” no mahazo ireo omby. Efa nisy ihany koa ny “enquête” natao ka eo […]

Voir plus

Hampitomboana ny vokatra ronono eto Madagasikara

Taranak’ombivavy be ronono Montbéliarde sy Normande 165 isa izay efa samy mitondra vohoka 5 volana no tonga eto Madagasikara, tetikasan’ny Filoha Andry RAJOELINA, entina manatanteraka ny velirano faha 9 ;  ho fanampiana ireo tanora sy tantsaha mpamokatra sy mpiompy mba hampitomboan’izy ireo ny fidiram-bolany. Ireo tanora sy tantsaha nahazo ny titre vert ao amin’ny faritry Vakinankaratra […]

Voir plus