Fantatsika ve fa miantraika amin’ny fambolena tokoa ny fiovaovan’ny toetrandro? tsapantsika angamba izany amin’ny alalan’ny fahasimban’ny voly noho ny tondradrano, ny tsy fahatomombanan’ny voa vokatry ny haintany sy ny hafa maro. Araka izany, niara-namolavola tetiandrom-pambolena ho antsika mpamboly ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Ministeran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetry ny andro […]
Actualités
Evènements et ateliers
MINAE/ CASEF: Misokatra ny Ivon-toerana hahafahana manao ny fampanarahana enti-tanana sy ny laboratoara fitiliana sy fanaraha-maso ny fahasalaman’ny biby, ao amin’ny faritra Anôsy
Antoky ny fiveloman’ny tantsaha mpiompy any amin’ny faritra Atsimo ny fiompiana omby. Anisan’ny manana kalitao tsara ihany koa ny omby any amin’ny faritra Atsimo. Tsapa sy hita fa mihena isa sy habe ny omby amin’izao fotoana, antony nametrahana ny “Centre d’insémination artificielle” na ny Ivontoerana hanaovana fampanarahana enti-tanana sy ny laboratoara fitiliana ny fahasahasalaman’ny biby […]
IVONTOERANA CAFPA ANKILY, FARITRA IHOROMBE: HANOFANA TANORA HO MATIANINA AMIN’NY FAMOKARANA
Natolotry ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ho an’ny Faritra Ihorombe ny foto-drafitrasa lehibe CAFPA na ny Ivontoerana Fanohanana sy Fanofanana ho matianina eo amin’ny sehatry ny famokarana ireo tanora Malagasy niala an-daharana tany an-tsekoly. Mandray mpiofana eo amin’ny 20 isan-taona ny CAFPA ao Ankily, tanora eo anelanelan’ny 18 hatramin’ny 23 taona […]
Atrikasa nasionaly momba ny masomboly
Tanterahina mandritry ny hateloana (31 may, 01 et 02 jona 2022) ao amin’ny CNEAGR Nanisana ny atrikasa fikaonan-doham-pirenena ho an’ny masomboly, izay nokarakarain’ny MINAE niaraka tamin’ireo mpiara miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika ary ny mpisehatra rehetra ao anatin’ny masomboly. Miroso amin’ny fanafainganana ny fizakan-tena ara-tsakafo i Madagasikara amin’ny alalan’ny fampivoarana sy fanovàna ny seha-pamokarana. Sehatra atao […]